Manana olona vaovao hitantana ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Kandidà tokana voafidy tamin’izany i Lamina Boto Tsara Dia. Hanomboka ny asa avy hatrany ny tenany.
Notontosaina tetsy amin’ny biraon’ny Komity olympika malagasy (COM) Ivandry, ny asabotsy lasa teo, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD). Lany hitantana ny taranja mandritra ny efa-taona manaraka indray i Lamina Boto Tsara Dia. Vato efatra tamin’ny fito no azony, raha ny roa fotsy ary ny iray maty. Tsiahivina fa kandidà telo izy ireo no nifanintsana tao, saingy nihintsana ny roa. Lasa kandidà tokana, araka izany, no nofidina tamin’ity. Anisan’ireo kandidà tsy nahazo nilatsaka tamin’ny ora farany ny filoha teo aloha naaton’ny Federasionina iraisam-pirenena, Rakotomanana Franck Tiana.
Araka ny fanadihadiana natao, nisy nitory tany amin’ny Kaomisionina iraisam-pirenena misahana ny taekwondo ity filoha teo aloha ity ka tsy afaka nofidina. Nitsipaka ny sata mifehy ny olympika kosa ny kandidà iray, izay tsy voafaritra mazava ny anarany. Tsy navela hiditra nanatrika ny fizotran’ny fifidianana teny an-toerana ny mpanao gazety. Saingy rehefa vita izany vao nahazo alalana hiditra hanao ny asany ireto farany. Naharitra ora maro moa vao tapitra ny hetsika.
“Hamerina ny fankatoavana iraisam-pirenena”
Nilaza ny filoha vaovaon’ny FMTKD fa hanomboka avy hatrany ny asa. Ny zava-dehibe aminy voalohany dia ny hamerina faingana ny fankatoavana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena. Notsindriny ihany koa fa hisy ny fifaninanam-pirenena hatao, ka hatomboka hatrany amin’ny seksiona sy ny ligy izany. Hiafara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. “Manana faniriana mitovy amin’ireo filohan’ny federasiona rehetra ny tenako, ny hisian’ny Malagasy miatrika lalao Olympika” hoy ity lehiben’ny taekwondo malagasy ity. Ampahafantarina fa ny ligy ara-dalàna ao amin’ny federasionin’ny taekwondo dia ny ligin’Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny, Matsiatra Ambony, Vatovavy ary i Betsiboka.
F.R




