Mpanazatra Corentin Martins: Hanatrika ny ampahefa-dalan’ny « World Cola PFL »

Araka ny loharanom-baovao iray, ho avy eto an-tanindrazana, hijery ny tohin’ny fifaninanam-pirenena « World Cola PFL », ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea, i Corentin Martins. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, « Playoffs » ity fifanintsanana ity. Marihina fa fotoana iray izao ahafahan’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly mandinika ny mpilalao tokony hanatevina ny Barea A. Ankoatra an’i Corentin Martins, hijery ny dingana manaraka an’ny fifaninanana nasionaly ihany koa ny Malagasy teknisianina, mitondra ny Barea Chan, Rakoton­drabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Tsiahivina fa ny Barea A’, hiatrika ny fifaninanana afrikanina « Chan 2024 », hatao any Kenya, Tan­zania, Ounganda, ny volana aogositra ho avy izao. Marihina fa ny volana jona ho avy izao, hifandona amin’ny RDC Congo, ny Barea A, izay hoentin’i Corentin Martins. Hatreto, tsy mbola fantatra ilay firenena faharoa hifandona amin’i Madagasikara mandritra ny « fenêtre Fifa » manaraka io. Aorian’io moa dia hivoaka ny filaharana vaovao an’ny Fifa.

Hahemotra ny 17 mey
Raha ny siosion-dresaka mandeha, ahemotra ny 17,18 sy ny 24, 25 mey ho avy izao, ny fihaonana ampahefa-da­lan’ny « World Cola PFL ». Raha tsy misy ny fiovana, mety hisy ny lalao hatao ao amin’ny Kianja Barea ary handray fifanandrinana ihany koa ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, sy ny eny Vontovorona. Tsara ny mampahafantatra fa mbola ao anatin’ity fifaninanana nasionaly ity ny Fosa Juniors, ny As Fanalamanga, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Disciples FC, ny Mama FC, ny Elgeco Plus, ny Cosfa ary ny Ajesaia.

F.R

Partager sur: