Notontosaina, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranan’ny seksionina Marovatana, taranja Rugby. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ny polisy monisipaly, rehefa nandresy ny Fifita Anosivavaka Ambohimanarina, tamin’ny isa, 40 no ho 25. Raha hiverenana ny fifanandrinana tamin’ity, nanjakan’ny polisy tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ry zareo polisy hatrany no nitarika, 22 no ho 15, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nandritra ny fidirana faharoa, nitombo ihany ny isa ho an’ny polisy monisipaly. Nampalahelo ihany ny zava-misy tamin’io fotoana io satria, roa minitra tsy hifaranan’ny lalao, niady sy nifamono teo ambony kianja ny mpanohana sy ny mpilalaon’ny andaniny sy ankilany. Andrasana moa izay fanapahan-kevitra horaisin’ny tomponandraikitra mahakasika iny famaranana iny. Tsara ny mampahafantatra fa tontosa tsara ihany ny fanomezana amboara sy ny medaly ho an’ireo nandresy.
F.R




