Mpaka an-keriny telo voatifitra: Tra-tehaka ny basy AKM sy poleta iray

Nifampitifitra ny zandary sy ny mpaka an-keriny, afakomaly alina. Maty ny jiolahy telo ka vehivavy ny iray. Tra-tehaka ihany koa ny basy mahery vaika marika AKM sy bala enina, niampy potela iray.

Vehivavy iray sy dahalo roa samy lavon’ny balan’ny zandarimaria nandritra ny fifanjevoana tao
amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Soalazaina, dis­trikan’Ambatondrazaka, ny alahady 4 mey teo. Nahazo angom-baovao avy tamina tsara sitrapo ny mpitandro filaminana. Mikasa hanao asa fakana an-keriny tao amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, ny alin’ny 3 mey hifoha ny alahady. Niatrana avy hatrany tamin’ny fokontany voalaza ny ekipan’ny zandary. Nigadona ny sasakalina, nandalo tokoa ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny Kalachnikov, ireo olon-dratsy. Nandositra ary nampiasa ny basy avy hatrany izy ireo vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Namaly tifitra ny zandary. Vokany, lavo nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny atao hoe Klopa. Voan’ny bala koa ny namany iray.

Vehivavy ny iray
Samy nanohitra ny mpitandro filaminana hisambotra azy ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky ny fampitsaharana nataon’ny zandary azy ireo dahalo ary namaly tifitra. Niaraka tamin’izy ireo ny vehivavy izay sakaizan’ny iray. Mpiray tsikombakomba sady manafina ireo dahalo io vehivavy io. Voan’ny tifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana koa ity farany. Namoy ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra avokoa ireo roa lahy sy ilay vehivavy. Nahatrarana taratasy fisoratam-ponenana ta­min’ny fokontany samihafa sandoka teny amin’ireo olon-dratsy. Nanao tongotra an-katoka tanaty haizina ireo dahalo hafa naman’izy telo namoy ny ainy. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana azy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: