Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Isotry, ny lehilahy iray 23 taona, afakomaly tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tratra nanao sinto-mahery findain’olona teo akaikin’ny Bazar-Ma Ambodin’Isotry izy io. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily nanara-maso teny amin’ny manodidina ka nahafahana nisambotra ity farany. Nisy olona lasibatry ny asa ratsy ataon’ireo mpanao sinto-mahery tonga nanao fitarainana sy nitoroka teny anivon’ny polisy. Nidina teny ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ireo polisy nanao fanamiana sivily, nanara-maso ireo mpanao asa ratsy. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy izy taorian’izay. Fantatra fa ikoizana sy nampitaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina amin’ny resaka sinto-mahery ity olon-dratsy ity.
Ankoatra izay, mpangarom-paosy iray hafa voasambotry ny Unité d’intervention rapide (UIR) eo anivon’ny polisim-pirenena tetsy 67 Ha, ny sabotsy teo. Nikasa hangalatra findain’ny vehivavy iray teo amin’ny arret-bus paositra 67 Ha izy io. Nosintominy ny poketra teny an-tanan’ity vehivavy ity. Nikasa hitsoaka avy hatrany izy taorian’izany saingy voatazon’ireo polisy niandry teny amin’ny manodidina. Nentina sy nohadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy avy hatrany izy. Tafiditra ao anatin’ny fametrahana fandriampahalemana izao hetsika izao.
Mino