Miaina vanim-potoana manahirana ny mpivarotra voankazo amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana mahakasika izany Raharimalala Josephine, mpivarotra voankazo iray eny Andoharanofotsy, omaly. “Tsy dia mahavelona intsony ny asa fivarotana voankazo amin’izao fotoana izao”, hoy izy.
Araka ny fanazavana nomeny, anisan’ny antony iray ilazany izany ny fiakaran’ny vidin’ny voankazo. Ohatra amin’izany ny vidin’ny akondro. “Raha tamin’ny taon-dasa, nalaina 1600 Ar ny akondro iray kilao. Ankehitriny, efa lasa 2 000Ar izany eny an-toerana”, hoy ity mpivarotra ity.
Ankoatra izay, misy manondrana any ivelany ihany koa ireo voankazo tsara karazana eto Madagasikara, raha ny filazan’ity ramatoa ity, ka ireo somary efa ratsy no hamidy eny an-tsena. Mampihemotra ireo mpividy izany indraindray. Nohamafisin’ity renim-pianakaviana ity fa lasa misy ny entana tsy lafo. Tamin’ny andro taloha nefa lany sy tapitra, tsy misy tavela, avokoa ny entana rehetra ka mahazo tombony tsara rehefa mody, raha ny fitantarany. “Raha maka akondro 100 kilao ianao fahiny, lafo daholo izany. Amin’izao fotoana nefa, raha maka kilao somary ambony enao, misy ambiny hatrany izany”, fanazavana nataon’i Josephine R. Nomarihiny nefa fa tehirizina tsara avokoa ireo entana tsy lafo rehetra, ary mbola hamidy ihany izy ireny ny ampitso.
Miantso ny fanjakana
Mangataka fanampiana amin’ireo tomponandraikitra ambony ny mpivarotra eny an-toerana. “Sahirana tanteraka amin’ny fivelomana izahay, miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny fiainanay. Maro ireo olona efa nisitraka ny fanampiana sy ny tosika maro isan-karazany, ka rariny sy hitsiny ihany raha mba mahazo izany izahay amin’izao fiainana efa hiaraha-mahalala izao», hoy izy ireo.
Nanamafy moa ireto mpivarotra fa mandoa hetra tsara izy ireo ary mandray vola toy ny rehetra ihany saingy tsy ampy hivelomana intsony izany ankehitriny. «Tsy afaka ny hanao ratsy na hihinana ny alahelon’ny hafa izahay, fa aleonay aza mihafy amin’ny asa toy izao. Araka ny fitenenana hoe, aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy.» Fanehoan-kevitr’ireo mpivarotra teny an-toerana ihany.
Manantena moa ireto mpivarotra ireto fa ho ren’ny fanjakana sy ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena ny fitarainan’izy ireo. “Miangavy amin’ny mpitondra re izahay mba hijery ny fiainanay. Mba manana fahasahiranana tahaka ny rehetra ihany koa ny mpivarotra, fa tsy hoe manana ny ampy”. Fangatahan’ny mpivarotra manokana.
Maro ny voka-tsoa azo avy amin’ny voankazo
Ankoatra ny resaka varotra, tsara ny mampahafantatra fa mitondra zava-tsoa ho an’ny olombelona ny voankazo. Araka ny fikarohana natao, voankazo iray hita mandavantaona ny akondro ary maro ny soa azo avy aminy. Tsy izany ihany fa azo afangaro amin’ireo voankazo hafa ihany koa izy, ka manome “salade de fruit”. Eo amin’ny ara-pahasalamana, manampy ny vatana amin’ny fikolokoloana anaty sy ivelany izy. Ny fihinana akondro iray isan’andro dia mampidina ny tosidra ho an’ireo olona somary taizan’izany aretina izany. Ahitana potasioma sy manezioma betsaka ary fibre ity voankazo iray ity. Miara-miasa amin’ny vatana amin’ny resaka fandrindrana ny ra antoky ny ain’ny olombelona koa izy io.
Raha sendra tojo olana amin’ny resaka fandevonan-kanina ny olona iray, afaka mihinana akondro. Manala ny fitohanana ihany koa izy ireny.
Voankazo iray tena tian’ny mpanao fanatanjahantena ny akondro, noho izy mitondra hery sy vitaminina natoraly ilain’ny vatana.
Nanatontosa : Fitia Randria