Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany La Réunion, ny katrok’ady “Fight Night”, taranja kick-boxing. Nanana solontena telo lahy i Madagasikara, izay nalefan’ny Lion Force, nahitana an-dRandriatsiresy Tojoniaina, sokajy latsaky ny 60 kg. Izy izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny “combat ceinture” rehefa nandavo ilay teratany renioney, i Refesse Quentin. Ankoatra an’i Tojo, teo koa Andrianantenaina Fabrice, sokajy latsaky ny 67 kg sy Randrianiaina Mickael, sokajy latsaky ny 75kg, izay samy resy avokoa, kanefa nampiseho fahaiza-manao avo lenta. Nanamafy ireo Malagasy mpikatroka fa tena ambony be ny lentan’ny fifaninanana. Azo lazaina nefa fa manana haavo teknika ambony ihany i Madagasikara. Tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny Lion Force, hotanterahina ny 22 jona izao ny “Combat Avenir Chapitre 5”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Manomana sahady ny fifaninanana iraisam-pirenena manaraka ihany koa ny Lion Force.
Mi.Raz