Hotanterahina ny zoma ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny Askam Afa Itasy sy ny Disciples FC Vakinankaratra.
Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa tonta ary hita fa tena nifandanja ny lalao. Samy nahita ny lesoka avokoa ireto klioba roa ireto, ary saika teo amin’ny resaka famonoam-baolina no voalazan’izy ireo fa mbola mila hatsaraina amin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa klioba tompondaka farany, tamin’ny taona 2023 lasa teo, ny Disciples Fc. Hiezaka ny mbola hitazona io anaram-boninahitra io ry zareo.
Sambany kosa ny Askam Afa vao hiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany. Tanjon’ny mpilalaon’Itasy ny haka ny anaram-boninahitra amin’ity taona ity. Ampahatsiahivina fa tokony ho natao ny 19 hatramin’ny 23 avrily lasa teo, teto Antananarivo, ity fifaninanana nasionaly ity, saingy tsy fantatra ny antony nanovana ny toerana sy ny nanemorana azy. Mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024 ity fifanintsanana nasionaly ity.
Marihina fa ny Askam Afa Itasy, ny AC Sabnam Analamanga, ny Ascuf Matsiatra Ambony, ny AS Myeco Anosy, ny Disciples FC Vakinankaratra ary ny Samba DS Diana no hiatrika ny dingana famaranana amin’ity.
Fitia Randria