JJB – Grand Slam : Hisolo tena an’i Madagasikara ry Andy, Bryan ary Chakif

Malagasy mpikatroka taranja Jiu-jitsu breziliana telo lahy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, ny 16 sy 17 mey izao.

I Andy Rasamy, i Brayan Rasamy ary i Chakif Mohammade no hisolo tena an’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, afaka 10 andro. Mpikatroka anisan’ny manana ny maha izy azy izy ireo, raha ny lalana nolalovany. Ho an’i Andy, efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara imbetsaka izy ary efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Toraka izany koa i Bryan, vao 9 taona monja izy dia efa niangaly ny taranja Jiu-jitsu breziliana ary tsy nijanona intsony. Ho an’i Chakif kosa, efa nisalotra ny anaram-boninahitra tompondaka maneran-tany tamin’ny taona 2024. Vonona ny hanome ny tsara hatrany izy mba hahazoany fandresena indray. Nambarany fa na dia sambany ho azy aza ny hifaninana amin’ny Ceinture bleue amin’ity “Grand Slam” ity, efa vonona sy niomana tsara ny tenany ka manantena ny hahazo vokatra tsara. Efa nanomboka ny volana novambra 2024 ireto mpikatroka avy amin’ny klioban’ny Checkmat ireto no nanomana ity fifaninanana ity. Tsara ny manamarika fa mianto-tena tanteraka izy 3 lahy amin’izao fandehanany any Abu Dhabi izao ary tsy misy manaraka izy ireo fa mandeha irery. Nisaotra ireo izay nanohana azy ireo, nanomboka hatrany amin’ny fanomanana, ireto solontena malagasy ireto ary mampanantena fa hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fifaninanana hatrehiny.

Mi.Raz

Partager sur: