Herinandro nifampitadiavana: Tambajotra mpangalatra taribin-jiro tratra

Enin-dahy mpangalatra ta­ribin-jiro an’ny orinasa Jirama voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny talata 6 mey teo. Nitrangana halatra tariby teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 322, tamin’ny 25 avrily lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy avokoa ny taribin-jiro miasa amin’ny fokontany Antanambiriky, Antananambo, hatrany Melville. Nahatratra 1 020 metatra ny refin’ny tariby azon’ireo mpandroba. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao momba ny mpangalatra izy ireo. Nosamborina tany amin’ny trano fonenany, tao Tsararivotra Toamasina, ny lehilahy iray. Natao vela-pandrika tao Marovato Ambalama­nasy ny namany. Ankoatra ireo, efa-dahy mpiray tendro ta­min’izy roa lahy, sarona tao Ampasimbola. Niaiky heloka izy enina mirahalahy rehefa na­taon’ny zandary fanadihadiana lalina. Voamarina, nandritra izany, tompon’antoka ta­min’ny fangalarana solika ao amin’ny “Pylône” Fiadanana Sa­­rimasina ireto olona voasambotra ireto. Nahatrarana gazoala halatra dimy zerikanina amin’ilay 20 litatra izy ireo. Hatolotra tsy ho ela ny fampanoavana ireto farany.

Tsiferana R.

Partager sur: