Minisitra Sahondrarimalala: “Mahaleo tena ny fitsarana…”

Nanazava ny momba ny raharaha namoahana am-ponja ny vadin’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny minisitry ny Fanabezam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanteriny fa efa mazava ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Nibaiko ny fampanoavana ny minisitry ny Fitsarana mba tsy hanohitra, hanao “Opposition” ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpamoaka didy raha nangataka fahafahana vonjimaika, Liberté provisoire, ilay olona”, hoy izy. Nanterin’ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, sady mpahay lalàna, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna izany. Notsipihiny koa fa tsy naheno ny filohan’ny Repoblika nibaiko ny fitsarana izy tamin’ilay fandaharana ny herinandro teo. “Mahaleo tena ny mpitsara mpamoaka didy “Juge de siège” ka tsy azo baikoina, ary tsy mandray baiko na amin’iza na amin’iza”, hoy izy. Na izany aza, tsy mahaleo tena kosa ny fampanoavana “Parquet, Ministère public, Procureur”. Azon’ny minisitry ny Fitsarana atao ny manome baiko azy ary ao anatin’ny fahefany izany, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: