Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda

Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby.

Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, “Africa Women’s Cup”. Firenena vaovao nandimby ny toeran’i Ca­meroun, i Ouganda, ary ity iza­ny no mpifanandrina vaovao hifampitana amin’ny Makis Ladies. Ankoatra azy io, hifanandrina amin’izy ireo ihany koa i Kenya sy i Afrika Atsimo.
Nilaza ny tale teknika na­sionalin’ny Malagasy Rugby, Andrianorosoa Antsoniandro, omaly, fa efa telo herinandro teo izay ny vehivavy mpilalao malagasy no niomana tamin’ity fifaninanana ity. Nohama­fisiny ihany koa fa natao hiadiana ny laharana fotsiny ihany ity fifanintsanana ity fa tsy misy ny ady tapakila amin’ ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena WXV.

Eny ambony kianja

Naneho ny heviny ihany koa ity teknisianina ity amin’ireto ekipa ogandey ireto.
“Maro ny milaza fa mafy i Ouganda, ary efa betsaka ireo nolazaina fa mafy eo anatrehantsika saingy rehefa mandeha ny lalao, hita fa azontsika hatao ihany ny mandresy azy ireo. Tranga efa hita ma­tetika izany. Tsy voarefy ny fa­haizan’izy ireo, fa ny lalao eny ambony kianja ihany no hitsarana azy”, hoy ity teknisianina anivon’ny Federa­sionina ity.
Ankoatra izay, vehivavy 52 no nantsoin’ny Coach Ralay, hiatrika ny fifantenana voalohany hahafahana mamaritra ireo mpilalao handrafitra ny Makis Ladies amin’ity taona ity.
Tsiahivina fa nahazo ny laharana faharoa ny vehivavy Makis, tamin’ny taon-dasa, ary azo antenaina fa hiezaka mafy izy ireo ny hanao fanamby mba handresy an’i Afrika Atsimo.

Fitia Randria

Partager sur: