Ambolomadinika Toamasina : Jiolahy dimy mpamerin-keloka maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny bazary vorondolo Ambolomadinika Toamasina afakomaly. Lavo nandritra ny fifanenjehana tamin’ny polisy ireo jiolahy miisa dimy, malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana.

Lavon’ny balan’ny polisy tany oamasina, afakomaly alina, ireo jiolahy miisa dimy. Malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fampiasana zava-maranitra (an­tsy) any an-tampon-tanàn’i Toamasina izy ireo. Nifanen­jehana tao amin’ny bazary vorondolo Ambolomadinika sy ny manodidina izy ireo. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray nandeha tamin’ny lalampasika ireto farany, ny alin’ny alarobia. Avy ao amin’ny tranombarotra lehibe iray any an-toerana ary hihazo ny biraon’ny firaisana Morarano ilay lasibatra. Nambanan’ireto olon-dratsy tamin’ny antsy ity farany tamin’izany ka tsy afaka niantso vonjy. Tsikaritry ny olona mbola nihaodihaody teny amin’ny tsenam-borondolo anefa ireto jiolahy ireto taorian’izay.

Nampandre ny talem-paritra Atsinanan’ny polisim-pirenena, ny kaomisera, Rako­tovao Christian, ny olon-tsotra nahatsikaritra ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny UIR eo anivon’ny polisim-pirenena. Nita­ri-dositra sy nitora-bato avy hatrany ireto farany vao nahita ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana sy ny poa-basy nandritra izany. Nitsofoka tamin’ny lalampasika tany Ambo­lomadinika ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Raha toa ka nihazo ny lalampa­sik’Amba­lakisoa nikasa handositra hatrany Ta­nambao Verrerie ny roa hafa. Vokany, lavo voatifitry ny polisy teny an-dalana nanaovana tari-dositra ny dimy. Maty teo no ho eo ny telo tamin’izy ireo. Raha maty tany amin’ny hopitaly kosa ny roa hafa.
Efa mpamerin-keloka
Mpanao asa ratsy, notarihin-dry Le Baba, Jayan ary Beg ireto lavo ireto. Efa voasambotra sy efa nigadra noho ny resaka rôrô sy zava-mahadomelina hafa, ary fanendahana izy rehetra ireo. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana azy ireo fa izao vao tratra. Anisan’ireo jiolahy raindahiny sy efa ela nokarohina tamin’ny fanaovana asa ratsy. Efa tafaporitsaka nandritra ny fifanenjehana tamin’ny polisy tany aloha. Marihina fa efa nisy lavo sy voasambotra ny naman’izy ireo tamin’izany. Ankoatra izay mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana nampiasan’ireto olon-dratsy ireto, toy ny antsy sy sabatra. Mitohy hatrany ny famongorana ny mpanao ratsy any Toamasina. Tsy mitsahatra mitondra aingavao hahafahana mifehy ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ireo mpitandro filaminana.

Sajo/Mino

Partager sur: