Karate- Afrika : Fantatra amin’ny jona ireo atleta

Ny volana jona izao no hamoaka ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ho any Nizeria ny teknisianina, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do mala­gasy, Ratefinanahary Emile, omaly, nandritra ny fanokafana ny fampivondronana fahatelo ireo atleta 33 mianadahy, teny Ampefiloha.
Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny 9 janoary 2025 ny fanomanana sy ny fampivondronana ireo atleta ireo. Zava-dehibe, hoy hatrany ity filohan’ny FKM ity, ny fandraisana anjara amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity satria hahazoana ny isa sy ny filaharana ambony indrindra. Araka ny efa nambarany ihany koa, mikasa handefa atleta 20 i Madagasikara, kanefa miankina amin’ny haavo teknikan’ny mpikatroka izany ka izay manana ny teknika takina ihany no mandeha. Eo amin’ ny hoenti-manana kosa, nametraka ilay toko 5 mahamasa-nahandro ny FKM : ny Federasionina, ny MJS, klioba ivondronan’ny mpanohana, fikambanan’ny ray aman-dreny ary ny klioba, seksionina, ligy nivoahan’ny atleta. Mbola manao antso avo anefa ny federasionina ho an’ny malala-tanana hanohana azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: