Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afakomaly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny polisim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naharay fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika manokana hamongorana ireo jiolahy ny ekipan’ny polisy. Naharitra efatr’andro nisesy izany. Vokany, tra-tehaka ny fikambanan-jiolahy roa samy hafa. Natao fanadihadiana lalina, niaiky heloka ho samy nanao fanafihana sy fanendahana avokoa izy ireo. Ankoatra ireo voasambotra, karohina ny mpiara-miasa amin’izy fito lahy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary niafara amin’izao fihazonana am-ponja vonjimaika izao.
Tsiferana R.