Navoakan’ny Malagasy Rugby sy ny Rugby Afrique tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny fandaharan-dalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Women’s cup”, taranja rugby, vehivavy. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 7 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra ahitana an’i Madagasikara mpampiantrano, Afrika Atsimo, Kenya ary i Ouganda, naka ny toeran’i Cameroun, izay nivarina sokajy.
Fantatra ary fa hidona voalohany amin’ny Makis Ladies, ny lionan’i Kenya. Ekipa tsy vaovao amin’ny Malagasy. Hanala vela amin’ny Malagasy, amin’ity, ry zareo Kenianina. Raha tsiahivina, nosakanan’ny Makis ladies ny lalan-dry zareo Kenianina ka tsy afaka niatrika ny “Mondial D3”, natao tany Dubai tamin’ny taon-dasa. Ouganda indray hifanandrina amin’i Afrika Atsimo. Ny andro faharoa, hatao ny talata 11 jona, i Afrika Atsimo hifampitana amin’i Kenya ary i Ouganda hidona amin’i Madagasikara. Ny sabosy 15 jona, Ouganda hifanazava amin’i Kenya ary i Afrika Atsimo hikatroka amin’i Makis Ladies. Hanala vela ho an’ny Malagasy ihany koa io satria ny Springboks no tompondaka tamin’ny taona 2023. Tsiahivina fa hiatrika ny “Mondial D2” ny voalohany, raha ho an’ny “D3” kosa ny faharoa.
Tompondaka