SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio sy rahampitso ny lalao 1/16 ndalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Yas Coupe de Madagascar ». Misy amin’ireo klioban’ny PFL no efa nandefa taratasy tany amin’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy hiatrika izany, noho ny halaviran’ny toerana hilalaovana.
Hanomboka anio ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, dingana voalohany, taranja basikety, ho an’ny vondrona A. Hifandona voalohany ny ekipan’ny BC Somava avy any Sava sy ny NGB Itasy. Anio ihany koa no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ity lalao izay hatao any Mahajanga ity.
Tapitra anio, ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’Animateur Fédéral), taranja karate. Tsiahivina fa niatrika ny fiofanana nandritra ny dimy herinandro ireo mpiofana ary anio no handray ny mari-pahaizana eny amin’ny ANS Ampefiloha.
Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny kianjan’ny Companys Espagne, ny lalao hihaonan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, taranja baolina kitra. Mbola manala vela ry zareo madrilenina, nandritra ny fihaonana efatra tamin’ity taom-pilalaovana ity, resin’ny Barcelone hatrany ny Real Madrid.

Partager sur: