Narian’ireo tsy mataho-tody teo an-tokonam-baravaran’ny renibeny, etsy Antohomadinika ny fatin’i Raissa, zazavavikely vao 8 taona. Naforitra tao anaty gony ny razana efa mangana.
Mampihoron-koditra ny zava-misy eto amin’ny tanàna! Zazavavikely iray, antsoina hoe Raissa indray no hita faty tetsy amin’ny fokontany IVO Antohomadinika Atsimo, omaly tamin’ny 11 ora. Novonoina dia nasitrika tao anaty fanariana maloto na “dalle fosse septique” ny razana. Tsy vitan’ny nampijaliana fa mbola naforitra tanaty gony ny vatana mangatsiakany. “Nataon’ireo tsy mataho-tody ambany ny lohany”, hoy ny fanazavan’i Herimalala Raobiline, rahavavin’ny renin’i Raissa.
Tsy fantatra mazava ny anton’ny famonoana fa raha ny zava-nitranga omaly, dia voalaza fa valifaty no nahatonga izany. Nilaza ny fianakaviana fa nisy nanitrika taratasy tamin’ny varavarankelin’
izy ireo, izay nilaza fa : “Ho an’i Maholy sy ny vadiny. Vita ny valifaty ka mamangy amin’ny fahoriana”. Mbola nanondro ny toerana nasian’ny olon-dratsy ny razana ihany koa ilay taratasy. Zaza, mbola fianakaviana ihany no nahita ilay taratasy hoy ny fitantaran’izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao teny an-toerana.
Nokarohina
Marihina fa ny sabotsy hariva no efa nifampitadiavan’ny fianakaviany i Raissa. Nisy ny filazam-pahaverezana nataon’izy ireo teny amin’ny polisy. “Nandalo tety amiko izy ireo omaly maraina. Nangatahiko ny sarin’ilay zaza mba haparitaka amin’ny fokontany manodidina. Afaka ora roa taty aoriana anefa, nahazo antso aho nilaza fa hita ilay zaza saingy efa maty”, hoy ny fanamafisan’ny sefo fokontany IVO Antohomadinika Atsimo, Rafaliarisoa Tsilavimandresy.
Autopsie
Ho tanterahina anio ny fizahan’ny mpitsabo ny vatana mangatsiakan’i Raissa na ny “autopsie”. Hanampy ny fanadihadiana ataon’ny polisy izany. Ireto farany izay efa nidina teny an-toerana nanao ny fanadihadiana savaranonando. Efa nisy ny fihainoana sy fakana am-bavany ny loharanom-baovao teny amin’ny manodidina. Hiditra amin’ny fanadihadiana lalina izy ireo aorian’izay.
Marihina fa vao ny 26 avrily lasa teo no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony ihany koa i Tricha, tovovavy vao 17 taona, monina eny 67 Ha ihany ko. Herinandro mahery aty aoriana, tsy misy mangirana ny famotorana.
Andrasana ny ho fivoaran’ny raharaha vono olona roa samy hafa ireto.
Tsiferana R.