Namoizan’aina olona roa indray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN4, teo amin’ny fokontany Manerinerina, kaominina Mahatsinjo, distrikan’Ankazobe, omaly. Avy nanao dia fibeazana, nitodidoha hihazo ny renivohitra ireo mpianatra ireo sy ny mpanabe azy. “Avy amin’ny oniversite tsy miankina izy ireo. Manodidina ny 17 hatramin’ny 22 taona eo avokoa ny salan-taonan’ireo ankizy”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Ankazobe. Tsy tana nandritra ny loza ny ain’ny mpianatra iray raha toa ka maty teny anivon’ny toeram-pitsaboana ny namany. “Vehivavy avokoa izy ireo”, hoy ny zandary misahana ny fanadihadiana. Nandeha mafy ny fiara ka nivoaka ny arabe. Nivarina an-kady ka nahatonga ny loza. Miisa 14 ireo mpianatra lasibatra ka nisy ireo tapaka. Nandritra ny loza, tsy nisy nahatsikaritra ny nandosiran’ny mpamily ilay fiara tra-doza. Nariany tanteraka ireo olona nentina. “Mbola tsy hita io mpamily io hatramin’izao fotoana”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha. An-dalam-pikarohana io mpamily io ny tompondraikitra. Tsy misy ahina ny fahasalaman’ireo mpianatra sasany naratra. Matetika lasibatry ny loza tampoka ireo mpanao dia fibeazana tato ho ato.
Tsiferana R.