Boulevard Ratsimilaho : Polisy kaominaly matin’ny lozam-pifamoivoizana

Moto nandeha mafy ka tsy nahafehy izany ny mpitondra ary nianjera. Nipitika teny
amin’ny sisin’arabe ny lehilahy iray ka nitarika ny fahafatesany, tao amin’ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, ny alahady 11 mey maraina teo. Tovolahy mpiasa eo anivon’ny kaominina manakaiky ambonivohitra Toamasina II izy. Polisy kaominaly no anjara asany amin’izany. Raha tsiahivina, ny sabotsy maraina teo, mandeha mafy izy niditra ny fiolahana. Nikasa hisongona fiara roa nanao fanoharana (essais) teo anoloany izy saingy tsy tafiditra ny moto nentiny. Voasakan’ny fiara iray hafa ity farany. Nikasika hisatra tampoka io lehilahy
io ary nampitik’ilay moto. Nianjera nanaraka ny godorao ilay moto raha nifatratra teny amin’ny rindrimbaton’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teo amin’ny “Boulevard” ny tenany. Raha ny fanadihadiana teny an-toerana tamin’ireo nanatri-maso dia tsy voadonana fiara ity tovolahy ity. Nanatona ny biraon’ny polisy avy hatrany ny mpamily ny fiara roa teo anelanelany. Nitatitra ny zava-nisy. Na­nolotra lelavola 1 tapitrisa Ariary izy ireo mba hikarakarana ny razana. Namoy ny ainy ny alahady maraina tao amin’ny hopitaly manaram-penitra Morafeno, i Wiliams Besoa. Hoentina any Fenoarivo atsinanana ny razana.

Sajo

Partager sur: