Karate-DAF :30 mianadahy nahazo ny mari-pahaizana

Nivoaka ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny ANS (Aka­demia Nasionalin’ny Spaoro) Ampefiloha, ny andiany faha-2 tamin’ireo mpiofana niatrika ny fiofanana DAF (Diplôme d’Animateur Fédéral), eo amin’ny taranja karate. Nisy 32 mianadahy izy ireo no nanaraka ny fiofanana, izay nizara roa ka ny 16 nanaraka ny fiofanana “initial” ary ny 16 nanaraka ny fiofanana “continu”.
Mpiofana 30 mianadahy tamin’ireo 32 ireo no afa-panadinana ka nahazo ny mari-pahaizana. Nambaran’ny filohan’ny federasionina ny Ka­rate-do Malagasy, Ratefina­nahary Émile, fa mbola afaka manao “repêchage” ireo mpiofana 2 tsy afaka amin’ny volana desambra. Notsiahiviny ihany koa, zava-dehibe ny fanarahana ny fiofanana satria manomboka ny volana janoary 2027 dia tsy azo hatao in­tsony ny mampianatra ny taranja karate eny anivon’ny dojo sy Klioba, raha tsy manana ity diplaoma ity.
Marihana fa efa nisy ny andiany voalohany izay nivoaka tamin’ny volana febroary lasa teo.Vinavinaina hahatafavoaka mpiofana hatramin’ny 400 any ny federasionina sy Akademia Nasionaly, hatramin’ny desambra 2026. Ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena, ny fahasalamana, ny lafiny “psychologie” sy “pédagogie”, ny “sécourisme” sy ny maro hafa no anisan’ny nampitainy ihany koa tamin’ireo mpiofana, araka ny fanazavan’ny Talen’ny fampiofanana, Sen­sei Rakotonirina Gilbert.
Miara-misalahy amin’ny FKM amin’izao fiofanana izao ny ANS sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS).

F.R

Partager sur: