Tra-doza teo amin’ny PK 236+500, tetezana Ampisavankaratra, kaominina Ambanivohitra Andriba, Maevatanàna, lalam-pirenena fahefatra, ny fiara fitateram-bahoaka sprinter afakomaly tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambanja izy io no izao niharan-doza izao. Nidofotra tamin’ny vodina kamiao iray mpitatitra entana teo alohany ity fiara ity ka potika sy tery tao ny lohan’ilay fiara. Niara-nipetraka teo aloha ny mpamily sy ny mpanampy mpamily. Naratra vokatry ny dona nahazo azy moa izy roa lahy ireo. Ankoatra izay, nisy mpandeha iray nipetraka koa teo afovoan’izy ireo. Tery teo aloha sy naratra mafy vokatry ny vakina fitaratra avy amin’ny Pare brise ny fiara ireto farany. Naharitra adiny roa mahery ny nisokirana azy ireo tao. Naratra mafy sy nihosin-dra ary fantatra fa tapaka avokoa ny tongotr’izy roa lahy ireo. Nentina teny anivon’ny hopitaly Maevatanàna avy hatrany izy ireo taorian’izay ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy avokoa. Fahatapahan’ny hisatra teo amin’ny fiara no antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray. Efa nanana olana ara-teknika io fiara io teny an-dalana ary izao nihafara tamin’ny fahatapahan’ny hisatra izao.
Mino