Afaka andro vitsy, hiatrika lalao eny amin’ny arabe an’Alarobia ireo mpitia ny taranja hazakazaka, « Sémi-marathon ». Hiavaka ny hetsika, hisy ny fifaninanana 10 km izay natao ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana.
Hotanterahina eny amin’ny Kianja Alarobia, ny 25 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Yas Semi-Marathon”, andiany fahadimy. Hizara telo ny sokajin-dalao eny an-toerana, anisan’izany ny hazakazaka manana halaviran-dalana 21 km, sy ny 10 km ary eo ihany koa ny fankalazana ny Andro ho an’ny ankizy na ny “kids Athletics”. Mampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny 10km izay natao ho an’ireo olona rehetra tsy manana kara-pilalaovana. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra, natokana ho an’ny mpilalao U20, U35, ary 45 taona mihoatra, ity lalao ity. Hozaraina medaly avokoa ireo olona rehetra mandray anjara amin’izany.
Hotolorana loka ireo telo voalohany amin’ny 10 km sy ny 21 km. Ankoatra izay, hitety lalana maro ireo atleta hiatrika ny halaviran-dalana 21 km. Hiainga eo Alarobia izany, handalo eny Ankazomanga, Ankorondrano, Amboditsiry, ary hifarana eny Alarobia.
Hiakatra ny isan’ny mpandray anjara
Manentana ny atleta rehetra sy ny mpanao marathon eto Madagasikara ny Federasionina malagasin’ny atletisma, amin’ity hetsika ity, mba handray anjara. Raha ny filazan’izy ireo, nahatratra 150 ny isan’ireo mpihazakazaka tamin’ny taona lasa teo. Antenain-dry zareo mpikarakara fa hiakatra ny isan’ny mpandray anjara amin’ity. Tsiahivina fa efa nalefa any amin’ireo ligy misy eto Madagasikara ny taratasy fanasana momba ity fifaninanana nasionaly ity. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, mpampiantrano, Atsimo Andrefana, Boeny, Anosy, Vakinankaratra
Fitia Randria