Tanora anisan’ny nanaraka ny fiofanana Cams (Cours avancés en management du sport), Andriambololona Zo Hajanirina ary nahazo ny mari-pahaizana, tamin’ny andiany faha-6 « Fototra » farany teo. Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary vao haingana no nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny “Open de Saint Denis”, natao tany La Réunion, ny volana febroary lasa teo. Tsy izay ihany fa mamiratra hatrany izy na amin’ny fifaninanana eto an-toerana na ny eo anivon’ny sehatra afrikanina. Nanaraka ity fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena ity ny tenany rehefa nahatsapa fa ilaina ny fahaizana sy ny fahalalana rehefa mitantana fanatanjahantena, indrindra ny eto Madagasikara. Efa niofana mahakasika ny “dirigeants sportifs” i Zo, tamin’ny taona 2020, nialoha ny nanarahany ity Cams ity ary tena vonona izy ny hampandroso ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny fahalalana izay noratoviny, araka ny nambarany. “Misaotra izay rehetra nanohana ahy aho tamin’ity fiofanana ity ary vonona ny hizara ny traikefa azoko ho fampandrosoana ny fanatanjahantena eto Madagasikara”, hoy ny nambarany.
Mi.Raz