Ratsy andro…andro ratsy

Misasaka sahady ity ny volana janoary. Volana izay he­verina ho sarotra sy tsy mora ialana, indrindra ho an’ny sarababem-bahoaka. Henjakenjana ho an’ny mivelona amin’ ny karama isam-bolana sy ny karama isanandro. Hatramin’ izao tsy mbola misy fofom-bola manimanitra ho an’ny mpi­asam-panjakana. Efa mahazatra ihany ny fahatarana fa amin’ ity indray mitoraka ity, ahiana ny maha ratsy andro azy ireo. Hatreto mbola fongana ny kitapom-bolam-panjakana, mi­andry « fahagagana ». Iarahan’ny rehetra mahalala rahateo fa ny amin’ny volana febroary sy ny marsa any vao mitobaka ny karazan-ketra sy volan’ny fadin-tseranana. Mihidihidy avokoa ny loharanom-bola na eto an-toerana na avy any ivelany.
Na izany aza, tsetsatsetra tsy aritra no ifampizarana ny zava-nisy omaly, tamin’ny banky maro. Nanaitra, ny nahita olona marobe milahatra. Nipetraka ny fanontaniana fa tonga ihany angaha ny vola ? Tsy aritra ny nanontany, hay mpandoa trosa isaky ny tapatapaky ny volana ! Matahotra sazy sy fitom­bon’ny zanabola aloa dia nihazakazaka, nanao izay tsy hi­sian’ny fahatarana.
Etsy andanin’izany anefa, efa mahazo vahana ny andro ratsy. Misy fiantraikany amin’ny andavanandron’ny vahoaka mala­gasy. Efa mipaka any anaty vilanin’ny isan-tokatrano ny faho­riana. Ny vola tsy misy, ny vidim-piainana midangana izay tsy izy. Tsy entana hafarana ihany no miaka-bidy, fa hatramin’ny entana vokarina eto an-toerana. Maro ny lalana tapaka, mihitsoka ny vokatra. Tsy mikoriana toy ny mahazatra ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fivezivezena.
Tsy misy aloha ny vahaolana azo tsapain-tanana mikasika ireo olana sosialy sedrain’ny vahoaka tsy mandady harona. Mangina tsy andrenesam-peo ny fanjakana foibe. Tomponan­drai­kitra voalohany amin’ny famahana ny olana, na dia ny ampahany ihany aza. Tsapa tsy ho vaindohan-draharaha sy tsy laharam-pahamehana izany. Mbola variana any amin’ny resaka politika ny « henjana » rehetra.  Lany andro amin’ny ady hevitra diso toerana sy fifampihantsiana.
Miady irery ilay vahoaka, samy manavotra ny ainy sy ny ankohonany, araka izay fahefany sy fahafanany manao izany. Sady olona ratsy andro daholo angamba, no mbola hidiran’ny andro ratsy ka valalanina tanteraka.

r.r

Partager sur: