Misy mpilalao vaovao, eo ihany koa ireo tafaverina indray ao anatin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, saika mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea hiatrika ny lalao tsapa any Frantsa, ny volana jona ho avy izao.
24 ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny lalao firahalahiana amin’ny RD Congo, ny 8 jona ho avy izao, any Orléans France. Tafiditra ao anatin’ny datin’ny Fifa. Nisy ireo mpilalao vaovao, toa an’i Busset Robin, Sadzoute Scotty Noireau-Dauriat ary i Adinany Brayan. Teo koa ireo tafaverina ka anisan’izany i Safidy sy i Baggio Romario. Nambaran’i Corentin Martins, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly, fa nezahina nitarina ny lisitra noho ny maha lalao fitsapana azy. Nanahirana ihany satria mifanindran-dalana amin’ny Cosafa ka mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny 98% amin’ ireo nantsoina. Tsy misy afa-tsy roa ihany ny eto an-toerana dia i Tony sy i Rado. Tsy nanafina ny mpanazatra fa nahafa-po azy ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ny volana marsa. Ankoatra izay, hiezaka haneho lalao mendrika amin’ ny RDC izay efa tsara toerana amin’ny fifaninanana hiatrehana ny “Mondial 2026”, ny Barea.
Tompondaka
Mpiandry tsatoby: 1- Laiton Sonny Patrick; 2 Gardies Teva Pierre Serge;
3- Melvin Adrien
Vodilaharana: 4-Demoleon Sebastien;
5-Razafindraibearimihanta Rajo; 6-Andriamanampisoa Elysée Tony; 7-Busset Robin Fomendraza; 8-Rabemanantsoa Rado;
9-Acapandie Mathieu; 10- Fortun Titouan Safidy; 11-Sadzoute Scotty
Irakiraka: 12-Raveloson Rayan; 13- Ilaimaharitra Marco; 14- N’zi Johan; 15-Lapoussin Loïc; 16-Rakotonomenjanahary John Baggio; 17-Rakotoarisoa Baggio
Lohalaharana: 18- Randrianantenaina Arnaud; 19-Rakotoharimalala Njiva; 20- Raheriniaina El Hadary; 21-Noireau-Dauriat;
22-Caddy Warren; 23-Abdallah Hakim ;
24-Adinany Brayan