Notontosaina omaly, tetsy amin’ny orinasa Yas Andraharo, ny antsapaka nahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe de Madagascar ». Araka ny tazana, omaly, hifandona amin’io ny klioba samy mifanintsana
amin’ny « World Cola PFL », ny Mama FC sy ny AS Avenir Ste Anne. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, izy ireo. Ankoatra izay, miverina mifanandrina amin’ny Requin Bleu indray ny FC Rouge PFL. Nilaza ny filohan’ ny klioba FC Rouge Vakinankaratra, Rakotondramiara Hasina, fa efa nanomana foana izy ireo ary tanjony ny hisondrotra amin’ny ambony kokoa. Ampahatsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa avy atsy Vakinankaratra no nahintsan’ny klioba Elgeco Plus, tompondaka farany. Mangaraharaha tanteraka ny antsapaka natao teny an-toerana. Tamin’ity taom-pilalaovana ity, natao teo amin’ ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny antsapakin’ny fifaninanana. Tamin’ny taona lasa, teo amin’ny ampahefa-dalana vao nanao antsapaka ny mpikarakara. Tsara ny mampahafantatra fa hotontosaina ny
7 jolay ho avy izao ny famaranan’ny « Yas Coupe de Madagascar”, raha ny 24 mey ny fihaonana ampahavalon-dalana.
Fitia Randria