Hiaina fifaninanana goavana ny mpitia ny taranja tsipy kanetibe, afaka herinandro. Hifanandrina ao anatin’ny “Tournoi des champions” ireo efa nandrombaka ny tompondaka maneran-tany sy ny tompondakan’i Afrika. Hifampitady any anaty fifaninanana amin’ny “tir de précision” ihany koa izy ireo.
Hangotraka ny fihaonana amin’ny “Tournoi des champions”, eo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fihaonana hotanterahina ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 mey ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Para Ivato. Hetsika karakarain’ny federation sport-boule malagasy (FSBM) sy ny Amical des champions du monde en action (ACMA).
Hanana ny lanjany lehibe satria hifandona ireo efa nisalotra ny tompondaka maneran-tany. Ao ireo tany amin’ny sokajy zandriny junior, ny senior ary ny vehivavy. Anisan’ireny i Zigle sy i Carlos, miampy an’i Judicael sy i Faneva ary i Cicine, hany vehivavy tokana tompondaka maneran-tany teo amin’ny “tir de précision”. Ankoatra izay, teo amin’ny isan-tarika olon-telo miaraka. Nanou sy i Lova ary i Mim’s, Hery, tompondaka tamin’ny taona 2016, natao teto Madagasikara. Hifampitana amin-dry Jean sy i Racle, nahazo izany ny taona 1999.
Nisy koa ireo nandrombaka izany anaram-boninahitra izany, tamin’ny sokajy junior, tamin’izany fotoana, toa an’i Fitahiana, Tendry, Anjarasoa, Toutoune, Rinah, Sitraka, Lahatra, Tendry.
Ankoatra ireo, eo koa ireo tompondakan’i Afrika, izay maro ihany koa, hifaninana amin’io. Hotolorana lelavola 4 tapitrisa Ar izay ekipa voalohany amin’io. Marihina fa olon-telo miaraka ny lehilahy raha olon-droa kosa eo amin’ny vehivavy sy ny sokajy junior ary ny vétérans.
Hampiavaka ity “Tournoi des champions” ity ny fifaninanana mitifitra “tir de précision”, ho an’ ireo sokajy telo ireo. Hahazo amboara sy kanetibe ny ho tompondaka ho an’ny lehilahy, raha valopy ny an’ny vehivavy. Loka tsy ampoizina ny an’ny junior.
Tompondaka