Higadona eto an-toerana, anio, ireo mpikatroka avy any Canada, hiatrika ny « Lemur Cup », taranja Jiu-jitsu brezilianina, izay hatao rahampitso 17 mey, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hotontosaina anio hariva ihany koa ny seminera hiarahana amin’i Eric Noel sy Radafy Ranaivo, manomboka amin’ny 3 ora hariva.
Misongadina hatreto ny ekipan’ny GNBC Analamanga, ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, ho an’ny vondrona A, izay tanterahina any Mahajanga. Samy mitàna ny lohany avokoa ny ekipan’ny GNBC, lahy sy vavy, amin’izao andro fahenina amin’ny fifaninanana izao.
Mitohy hatrany ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, izay tanterahina any Fianarantsoa. Ankoatra izay, manatanteraka fitiliana ankizy hanamafy ny ivontoeram-piofanana eo ambany fiahiany ny Federasiona malagasin’ny baoliana kitra (FMF). Mbola hivelatra any amin’ny faritra hafa ny hetsika.
Mitarika eo amin’ny laharana voalohany amin’ny mpampiditra baolina betsaka indrindra ao Espagne i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharan’ny Real Madrid FC. Nahatafiditra baolina 28 izy hatramin’ny omaly. Manaraka azy aoriana i Lewandowski, poloney, milalao amin’ ny FC Barcelone.