Mahajanga : Mpanao Cash point iray voatsatoka antsy

Notafihin’ny olon-dratsy ny tovolahy iray mpanao Cash point tany Ambohimandamina, Mahabibo Mahajanga, faritra Boeny, omaly maraina. Teo am-panaovana ny asa aman-draharaha toy ny mahazatra ity tovolahy ity no nisy lehilahy roa nanatona azy. Nanambana azy tamin’ny antsy ary nitaky ireo vola rehetra tany aminy ireo mpandroba. Notsindromin’ izy ireo tamin’ilay antsy avy hatrany ny tendan’ilay mpiasa amin’ny fanakalozana vola rehefa namaly azy ireo. Naratra mafy ity farany, lasan’ireo olon-dratsy kosa ny sakaosy nisy ny vola rehetra teny aminy. Lasa nitsoaka avy hatrany moa ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsy nataon’izy ireo.
Nahita ny zava-nitranga ny mpandalo sy ny olona teny amin’ny manodidina. Tsy nipetra-potsiny fa nanampy tamin’ ny fanenjehana ireto olon-dratsy ireto avy hatrany. Vokany, voasambotra ny iray tamin’ireo jiolahy ireo raha toa ka tafaporitsaka ny namany iray hafa. Efa natolotra ny mpitandro filaminana any an-toerana moa ity voasambotra ity taorian’ izay. Notazomina sy nanaovana fanadihadiana izy ary hatolotra ny fitsarana aorian’ny famotorana azy. Mitohy ny fikarohana ilay namany tafaporitsaka. Ankoatra izay, entanina hatrany ny olom-pirenena mba hanome vaovao ny mpitandro filaminana, mba hahafahana misambotra sy mamongotra ireo mpanao ratsy.

Mino

Partager sur: