« Confejes » andiany faha-40 : Nanamafy ny fiaraha-miasa ny minisitra Marson Moustapha

Nifarana omaly ny fihaonambe faha-40 ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena avy amin’ny firenena miteny frantsay. Fivoriana natao tany Rabat, renivohitr’i Maroc. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitra Marson Moustapha Abdulah.

Notanterahina tany Ra­bat, Maroc, ny fihaonambe faha-40 ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena avy amin’ny tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Mousta­pha Abdulah, izay nitarika ny delegasiona malagasy.
Mialoha ny diany tany an-toerana, nihaona tamin’i Marie Philippe, talen’ny kabinetran’ny minisitra frantsay misahana ny frankofonia tao Paris, izy. Voaresaka tamin’izany ny fahazoan-dalana ho an’ny tanora manan-talenta mivezivezy malalaka. Toraka izany ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora.
Niara-nidinika tamin’i Philippe Diallo, filohan’ny Fe­derasiona frantsay misahana ny baolina kitra koa izy. Niarahan’izy ireo nitafatafa ny fiaraha-miasa ara-teknika amin’ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra. Hisy ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta mahakasika tetikasa maromaro. Anisan’izany ny fifanakalozana traikefa sy ny teknisianina. Hisy koa ny fampiofanana sy fijerena ny kianja.
Mahakasika ny fankatoavana ny Kianja Barea, nohamafisin’ny fanjakana maraokanina ny fanohanany an’i Madagasikara.

Mi. Raz

Partager sur: