JJB-“Lemur Cup”: Tonga ny vahiny, raikitra ny fifaninanana

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu breziliana. Hisy koa ny fifaninanana eo amin’ny haiady “pancrace” sy “boxe anglaise”.

Tonga ireo vahiny nasaina, raikitra ny fifaninanana! Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no tonga eto Mada­gasikara hiatrika ady, manoloana ny Malagasy mpika­troka. Nambaran’ireto vahiny mpikatroka fa maika izy hia­trika ny ady, anio, ary miandry mafy ireo mpifanandrina amin’ izy ireo. Anisan’izany ny sokajy vehivavy, izay hifandona amin’ i Nofy Erica. Raha hiverenana ny eo amin’ny sokajy lehilahy, hisy ilay “Tournoi absolute”, ady tsy misy sokajin-danja fa afaka mifandona avokoa ny rehetra ka izay mpandresy amin’ny farany no tompondaka handrombaka ilay Cash prize mitentina 700 000 Ar. Ankoatra ny Jiu-jitsu, handraisana anjara amin’ny fifaninanana ihany koa ny taranja “pancrace” sy ny “boxe anglaise” izay taranja ampianarina ao amin’ny Guerreros, mpikarakara ny hetsika.

Nizara ny traikefany i Eric Noël
Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny taranja Jiu-jitsu, nizotra araka ny tokony ho izy ny seminera natolotr’i Eric Noël, manam-pahaizana kanadianina sy Radafy Ranaivo, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nahaliana an’i Eric Noël ny talentan’ny Malagasy mpikatroka ary nahafaly azy ny nizara izay fahalalana hainy sy hitany fa hampiakatra ny lentan’ny Jiu-jitsu malagasy. Nisy mpikatroka avy amin’ny taranja hafa ihany koa nandray anjara tamin’ity seminera ity.

Mi.Raz

Partager sur: