Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny fivoriamben’ny Kaomity olympika malagasy (Com). Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny federasionina miisa 27, mandrafitra ity kaomity iray misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tafaverina eo anivon’ny Com ny taranja taekwondo WT.
Raha tsiahivina, tsy nankatoavin’ny Kaomity olympika, noho ny fandavan’ny iraisam-pirenena azy, ity taranja iray ity, teo aloha. Efa manana filoha vaovao ankatoavin’ny Com ny taranja ankehitriny, ary efa niatrika avy hatrany ny fivoriambe izay natao omaly, teny an-toerana, i Lamina Boto Tsara Dia, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo (FMTKD) WT.
Efa nalefa any amin’ny rafitra iraisam-pirenena avokoa ny antontan-taratasy manamarina fa ankatoavin’ny Kaomity olympika malagasy ny Taekwondo WT.
Marihina fa hetsika fanaon’ ny Com isan-taona ny fanaovana fivoriambe tahaka izao, handinihina ireo sata mifehy.
Ninah (Mpianatra asa)