Iray volana mialoha ireo lalao iraisam-pirenena, ny « Masters » sy ny « Tournois estivaux 2025 », hatao any France, namoaka ny anaran’ireo mpilalao voafantina mialoha ho anaty ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM). Masontsivana maro no nifantenana azy ireo.
Ho fiatrehana ny “Masters” sy ny “Tournois estivaux 2025”, taranja tsipy kanetibe hatao any France, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao voatsonga mialoha, handrafitra ny ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM), ny alarobia 14 mai lasa teo.
Miisa 24 izy ireo ka masontsivana nifantenana azy ireo ny vokatra sy ny zava-bitany nandritra ny taom-pilalaovana lasa sy ny tamin’ity taona ity, teto an-toerana sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, sy ny kalitaon’ny lalaony, ny fahaizany ary ny tanjany amin’izao fotoana izao.
Anisan’ireo nahafeno izay fepetra izay ireo ekipa nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara 2025, ahitana an’i Zigle sy i Tianakely ary i Luc. Eo koa ny ekipa tompondakan’i Madagasikara 2024, nisy an’i Hery Nirina Edmond, Faly Donald, Jeannie Alexander. Ankoatra azy 6 mirahalahy, eo koa i Jean-Jacky, tompondaka maneran-tany 1999 ary tonga teo amin’ny manasa-dalana 2025. Tazana koa i Lova sy i Herilantosoa ary i Nanou, tompondaka maneran-tany 2016, niatrika ny ankatoky ny famaranana tamin’ny PPF 2025. I Tonnerre, tompondaka maneran-tany lefitra 2010, i Hery Mampandry, tompondaka lefitra maneran-tany, sokajy zandriny 2021. I Carlos, tompondaka maneran-tany teo amin’ny «tir de précision 2007».
Yves Sedrick, tompondaka «tir de précision» Test events 2025. I Faralahy Urbain sy i Jean Michel, niatrika ny PPF 2025. Niaina Thierry sy i Jean Christophe, tompondakan’i Madagasikara olon-droa miaraka 2024. Eo koa i Tafita sy i Tojolalaina Herizo, i Mickae, i Rindra Hasiniaina, i Mamy ary i Jean Michael.
Ankoatra izay, misy mpilalao fiandry 4, ahitana an’i Barinirina Claude, Lova Satamandimby, Maminirina ary i Mirija Solonantenaina. Eto Antananarivo no hanaovana ny fampivondronana, izay tsy mbola fantatra ny daty hanatontosana izany.
Tompondaka