Notanana natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritra Nosy Varika, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray voalaza fa saika hampamono sefo fokontany tany amin’ny fokontanin’ Ambatoseza. Tonga nanatitra azy io tany amin’ny zandary any an-toerana ny miaramila telo lahy avy ao amin’ny 2ème Compagnie Vohimanoro, ny alarobia 14 mey, tamin’ny 04 ora sy 40 minitra hariva teo. Efa nisy rahateo ny fampiantsoana azy teny anivon’ny mpitandro filaminana fa nolaviny izany, ka izao niafara tamin’ny fandraisan’ny miaramila an-tanana azy izao. Monina any Ambatoseza, kaominina ambanivohitra Vohitrandriana, distrika Nosy Varika ity lehilahy voasambotra ity.
Nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook fa voatazona amin’ny tsy rariny any amin’ny biraon’ny zandary Nosy varika ity raim-pianakaviana ity, afakomaly tokony ho tamin’ny 07 ora alina. Voalazan’ireo mponina any Mandroromody II fa anisan’ireo olona manakana ny fitrandrahana volamena ataona vazaha any an-toerana izy. Noho izany, tsy manaiky ny fitazomana fa mitaky ny hamoahana azy sy hanajanonana io fitrandrahana volamena io ny vahoaka any an-toerana. Ankehitriny, efa miroso ao anatin’ny famotorana ity lehilahy ity ny zandary. Hidina any an-toerana hijery akaiky ny raharaha kosa ny lehiben’ny tobim-paritra.
Mino