Maty voatifitry ny mpitandro filaminana, ny zoma 16 mey teo, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao Mahaly, fokontany Anaviavy, kaominina Iamonta, distrikan’i Vondrozo. Niketriketrika haka ny lova io lehilahy io. Ny reniny izay mbola velon’aina soa aman-tsara no novonoiny. Novelesiny teo amin’ny faritry ny lohany io reniny izay efa 80 taona io, ny alarobia 14 mey teo. Antitra sady efa kely hery, namoy ny ainy vokatry ny vono nianjady taminy ilay renim-pianakaviana. Tsy vitan’izay, nanamparan-dralehilahy vono koa ny anabaviny. Vaky ny handrin’io anabaviny io saingy tsy natahorana ny ainy. Nifanampy nikaroka ilay lehilahy nahavanon-doza ny fokonolona sy ny zandary. Roa andro taorian’ny fikarohana, tratra ilay mpanao ratsy. Nentina atao famotorana izy rehefa niaiky heloka. Nanaiky hitoroka ny toerana nampirimany ny fitaovana namonoany an-dreniny. Notolominy tampoka ny zandary nitondra azy. Nokasainy ho vonoina. Noho izany, nampiasa fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana ka maty voatifitra io lehilahy namono ny reniny io. Malaza ho efa mpanao ratsy tao an-tanàna rahateo izy.
Tsiferana R.