Jiu-jitsu Brezilianina: manan-talenta ny Malagasy mpikatroka

Taranja zandriny kanefa miroborobo sy mivoatra hatrany ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Anisany manatanteraka fifaninanana betsaka indrindra mandritra ny taona ity taranja ity. Ary ny tena mampiavaka azy dia omena sehatra mihitsy ireo klioba eo anivon’ny federasionina hitantana ny fikarakarana ny fifaninanana tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasionina.

Hita taratra ny fiakaran’ny talentan’ny Malagasy mpikatroka eo anivon’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Porofon’izany ny famiratan’ny Malagasy niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena vao haingana, izay nandrombahana medaly volamena 20 be izao. Mbola noporofoin’izy ireo ihany koa izany ny sabotsy 17 mey lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Lemur Cup”. Tsara ny vokatra ary tena avo lenta ny teknika nasehon’ny solontena malagasy nanoloana an-dry zareo kanadianina. Tsiahivina fa mpikatroka avy any Kanada 4 mianadahy no tonga nanafika teto Madagasikara, tamin’io sabotsy io. Tena nafana ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Nanamafy ny eo anivon’ny Guerreros Team, mpikarakara, i Nicky Dialo, fa nivoatra be ny Malagasy mpikatroka ary tena niady ny fifandonana na dia efa mpikatroka manana ny maha izy azy aza no nifanandrina tamin’izy ireo. Izay fampivoarana ny haiady eto Madagasikara izay no tanjona, raha ny nambarany, ary tratra izany tamin’ity hetsika ity, na ny teo amin’ny seminera, na ny teo amin’ny fifaninanana.

Nandresy ilay kanadianina i Nofy

Ady anisan’ny nandrasan’ny maro, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ihany koa ny fifandonan’ilay teratany kanadianina sy ny Malagasy mpikatroka, i Nofy Chuk, ho an’ny “catégorie normale”, sokajy vehivavy (No Gi). Norombahin’ity Malagasy mpikatroka efa fanta-daza ity ny fandresena nandritra izany. “Efa nisy ny drafitra napetraky ny mpanazatra teo amin’ny ady sy ny teknika ka na dia efa fantatra ihany koa aza fa mafy ny mpifanandrina, efa avo lenta, fa tsy nanakana ahy hanome ny tsara indrindra izany”, hoy i Nofy. Tanjona ho azy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Abu Dhabi, amin’ny volana novambra izao. Mikasa ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena iray na roa anefa izy mialoha izany, raha ny nambarany. Nilaza i Nofy fa tsy ny talenta no tsy ampy eto Madagasikara fa ny fanararaotra ahafahana miatrika fifaninanana maro. Nisaotra ny klioban’ny Guerreros izy nikarakara ny fifaninanana “Lemur Cup” sy nanafatra mpikatroka avy any Kanada fa tsy nila nivoaka tany ivelany dia nahazo anaram-boninahitra. Miantso ny fitondram-panjakana ihany koa izy mba hanampy ny atleta fa manan-talenta ny tanora malagasy ary mila fanohanana.

Azon’i Paco ny Cash prize

Ankoatra ny fifaninanana teo amin’ny sokajy vehivavy, nandrasan’ny maro indrindra ihany koa ny katrokady “Absolute” (No Gi), tamin’ny fifaninanana “Lemur Cup”, ny sabotsy lasa teo. Ady nifanandrinan’ireo mpikatroka tsy mitovy sokajin-danja ity “Absolute” ity ary tazana avokoa ireo malagasy kalaza rehetra. Nivoaka ho mpandresy ary nandrombaka ny Cash prize, mitentina 700 000 Ariary, ilay teratany kanadianina, i Paco, teo amin’ny famaranana. Ny Malagasy mpikatroka, Rafidy Tafita, no nifandona taminy teo amin’ny famaranana ary tena niady sy avo lenta tanteraka ny fihaonana teo amin’izy roa lahy. Tsiahivina, anisan’ny nifandona tamin’ity “Absolute” ity, i Mahefa sy i Voady, i Viking (Kanadianina) sy i Willy, i Paco sy i Tanjona, i Gou sy i Sasuke, i Lorenzo (Kanadianina) sy i Nomasy, i Miaritra sy i Tafita, i Tommy sy i Watchii, ka i Paco sy i Tafita no nanao ny ady famaranana.
Nifarana hatreo iny ny “Lemur cup” fa mbola hisy ny hetsika sy fifaninanana goavana kokoa homanin’ny eo anivon’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina ato ho ato, araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny federasionina, i Nicky Dialo. Hanana solontena maro ihany koa, hoy izy, i Madagasikara, mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, izay hatao any Abu Dhabi, ny volana novambra izao.

Nandray anjara ihany koa ny taranja Pancrace sy Boxe anglaise

Taranja anisan’ny hampianarina eo anivon’ny Guerreros ny taranja Pancrace sy Boxe anglaise, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly, i Zo Aina. Izany indrindra no antony nampandraisana anjara azy ireo tamin’ity “Lemur Cup” ity, mba hampisehoana ny firahalahiana eo anivon’ny klioba. Araka izany, nandray anjara mavitrika ireto taranja roa ireto, izay nanambara fa nahazo tombony ihany koa satria afaka nanatrika ilay seminera, notarihin’ny manam-pahaizana kanadianina, i Eric Noel, sy Radafy Ranaivo, ny zoma 16 mey lasa teo. Nanatanteraka ady 3 avy ireto taranja roa ireto nandritra ny fifaninanana ary nahafahan’izy ireo nampitombo ny lentan’ny taranjany avy izany.

Nahomby ny seminera

Araka ny efa fantatra, nisy ny seminera niarahana tamin’ilay manam-pahaizana kanadianina, i Eric Noel, sy Radafy Ranaivo, ny zoma 16 mey, nialoha ny niatrehina ny fifaninanana. Nahaliana ny mpankafy ny taranja Jiu-jitsu izany ary teo ihany koa ireo taranja hafa tonga nanatrika ny seminera. Nahomby, araka izany, ity seminera ity izay nambaran’ny teo anivon’ny Guerreros fa anisan’ny mampiavaka ny taranja Jiu-jitsu sy ho fampiakarana ny haavo teknikan’ny mpikatroka ny fanafarana manam-pahaizana toy izao. Efa maro ny vahiny tonga nizara ny traikefany teto Madagasikara, teo amin’ity taranja ity, ary anisan’izany, i Royce Gracie, izay efa tonga teto, tamin’ny taona 2024.

Nanatontosa : Miarintsoa. Raz

Partager sur: