Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny dingana ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (PFL 2025). Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny AS Fanalamanga sy ny CFFA Andoharanofotsy. Niady ary samy nampiseho ny fahaizany ny roa tonta. Fihaonana ambony tamin’ny lafiny tanjaka teo amin’ireo mpilalao. Efa tany amin’ny 90 mn vao nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny CFFA. Baolina nampidirin’i Gone, taorian’ny tolotra nataon’i Gregas.
Nanana fotoana tokony hamonoana ihany koa ny ekipan’Alaotra Mangoro saingy ratsy hatrany ny famaranana.
Teo amin’ny fihaonana ilany, resin’ny Cosfa tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0, ny Disciples FC. Efa nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Bebaoty teo am-pialantsasatra. Nahatafiditra ny baolina voalohany i Toky, teo amin’ny minitra faha-8, ary ny an’i Fetra, minitra faha-75.
Ny sabotsy indray, nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Fosa Jr Boeny sy ny Mama FC. Nampiditra ny baolina voalohany ny ekipan’i Boeny, tamin’ny alalan’i Toky, minitra faha-14 ary nosahalain’i Zulu, 5 mn taorian’izay. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 kosa ny Elgeco Plus, tompon-jaridaina, raha nihaona tamin’ny Ajesaia. Baolina tokana matin’i Zola, teo amin’ny minitra faha-8 nilalaovana. Tsy mbola fantatra ny daty hanatontosana ny lalao miverina fa miandry ny fivorian’ny Club de foot-ball élite de Madagascar (CFEM).
Tompondaka




