Rallye Motul: voalohany i Faniry sy i Mahents

Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, tamin’ity. Faharoa ny ekipazy ASA Tana/Asacm, nisy an’i Daniel sy Iando, nitondra ny Subaru, izay nahavita izany, 1 ora 41 mn 38.3 s. Fahatelo i Aro Kiady sy i Fanja, mpanamorin’ny klioba Asacm, nitaingina ny Subaru ihany koa. Tara 8 mn 00.9 s taorian-dry Faniry vao tonga ry zareo. Tsiahivina fa fiara 13 sisa no tonga hatramin’ny farany tamin’ity Rallye Motul ity. Ho an’ny SSV, lasan’i Jacques Ferré sy ny Canam Maverick ny fandresena.

Tompondaka

Partager sur: