Norasarasaina antsy, tsy nisy taova, lehilahy mpividy vokatra hita faty tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Tsy hita ny vola 2 tapitrisa nentiny nivoaka ny trano.
Nampihorin-koditra! Fatin-dehilahy tsy nisy taova, nahitana faritra voarasarasa antsy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ankazondrano, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly alatsinainy 19 mey, tamin’ny 6 ora. Mpividy vokatra, toy ny vary, ao amin’io kaominina io ity raim-pianakaviana ity. Nivoaka ny trano fonenany nitondra vola 2 000 000 Ar izy. Nihazo ny fokontany Soarano handanja vary. “Tazan’ny mpiara-monina namoaka mizàna izy tamin’io fotoana io”, hoy ny fanazavana voarain’ny zandarimaria. Tsy hita tampoka io lehilahy io, ny alahady 18 mey tamin’ny 9 ora maraina. Nanomboka nikaroka azy ny vady aman-janany sy ny fianakaviany. Tsy naharenesam-baovao hatrany izy. Nanohy ny fikarohana ny fokonolona omaly vao mangiran-dratsy. Fatin’olona simba tanteraka no hitan’izy ireo anaty kirihitra tao avaratra atsinanan’ny fokontany.
Tsy nisy voamaso
Nihatrana nanao ny fizahana ny vatana mangatsiaka ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII Soanierana, natrehin’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy taova intsony io lehilahy io. Rakotra dian’antsy ny lamosiny havanana sy ny fihirifany. Nesorin’ireo tsy mataho-tody koa ny voamasony tamin’ny ilany havia. Ahina ho vono olona niniana natao no nahafaty io raim-pianakaviana io. Tsy hita teny aminy intsony ireo fitaovana nentiny nivoaka ny trano, toy ny finday, mizàna sy ny vola 2 tapitrisa Ar. Naparitaky ny biby miala 2 metatra ny vatan’io lehilahy io ny tsinainy. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’io hita faty io. Misahana ny famotorana ny zandarimaria eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Tsiroanomandidy.
Tsiferana R.