Namoy ny ainy, hita faty nihantona tamin’ny tady ny ben’ny tanàna teo aloha an’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, omaly. Hatairana ny an’ny fianakavian’io olom-boafidy teo aloha tao an-toerana io. Tsy nisy aina intsony, nifatotra tamin’ny tady ny tendany ary nihantona. Mangana ny faritry ny tendany izay voagejan’ny tady. Nidina ifotony tao amin’ny fokontany Manga Milahatse, fokontany Antanandava, nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana.
Nahitana taratasy miisa roa tsy lavitry ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io. Tsy fantatra mazava ny soratra noraiketin’ireo taratasy ireo. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana. Andrasana ny voka-panadihadiana hamantarana marina ny antony nahafaty ity ben’ny Tanàna teo aloha ity. Tsiahivina, ben’ny Tanàna voafidy hitantana ny kaominina tao an-toerana ny taona 2015 i Roberto Miadamana.
Tsiferana R.