Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy.
Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifaninanana tenisy anaty efitrano na Padel « Orange MPPTour 100 », sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny sokajy lehilahy, lasan-dry Rakotondramboa Miary Zo sy Rabezafy Landry ny laharana voalohany, raha toa ka mbola nanjakan-dry Razafimamonjy Prisca sy Razafimahatratra Zarah ny teo amin’ny vehivavy.
Raha hiverenana kely ny famaranana, lavon’i Miary Zo sy i Landry, tamin’ny seta 2 no ho 0, (7,5/ 7,6), ry Fontaine Marin sy Haener Corentin, teo amin’ny sokajy lehilahy. Niady tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta teny an-toerana, nifanenjehana hatrany ny lalao, tany amin’ny “tie break” hatrany vao tafavaoka mpandresy ry Miary Zo.
Noresen’i Prisca sy i Zarah tamin’ny seta 2 no ho 0, (6,3/ 6,1), ry Radilofe Sariaka sy Lalaina, ho an’ny sokajy vehivavy. Nanatombo tamin’ity fihaonana ity ny traikefan-dry Prisca sy Zarah. Nosahiranin’ izy ireo mihitsy i Sariaka sy i Lalaina, izay tsy nahazo lalao afa-tsy telo teo amin’ny seta voalohany ary lalao iray nandritra ny seta faharoa.
Tsara ny mampahafantatra fa natao hampivoarana ny taranja Padel eto Madagasikara ny anton’ity fifaninanana ity. Hiatrika ny fifaninanana “Orange Master Final” kosa ireo 16 mendrika tamin’ity. Ampahatsiahivina fa efa manana ny lanjany eto Afrika ny Padel malagasy. Porofon’ izany ny nandrombahin’izy ireo ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taona 2024.
Fitia Randria