JJB-Grand Slam: nahazo medaly volafotsy i Andy Rasamy

Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny “Grand Slam”, taranja Jiu-jitsu breziliana, izay natao tany Abu Dhabi. Nanana solontena 3 lahy i Madagasikara nandritra izany ary tsy nitsanga-menatra satria nandrombaka medaly volafotsy ny Malagasy mpikatroka, i Andy Rasamy, teo amin’ny “Men’s Gi/Brown Belt”, sokajy Professionnel, latsaky ny 77 kg. Raha hiverenana ny dingana vitany, nahazo fandresena intelo nisesy izy nanomboka tany amin’ny fihodinana voalohany, nitohy hatreo amin’ny manasa-dalana izany. Teo indrindra izy no niady mafy saingy nolavoin’ny mpifanandrina taminy, i Sultan Alhosani, tamin’ny isa 4 no ho 2. Efa tena zava-dehibe ny vitan’i Andy, araka ny nambaran’ny rainy sady mpanazatra azy, i Pay Rasamy, satria ireo kalaza maneran-tany eo amin’ity taranja ity no nifaninana taminy. Antenaina, hoy izy, ny hahazoan’i Andy ny medaly volamena amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay hatao ny volana novambra izao.
Ho an’ireo Malagasy mpikatroka roa lahy hafa, resy teo amin’ny ady voalohany natrehiny i Chafik, taorian’ny fanamarinana natao tamin’ny VAR. Ho an’i Bryan Rasamy kosa, tsara fanombohana izy saingy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimo no raraka ka tafapetraka eo amin’ny laharana fahefatra.

Mi.Raz

Partager sur: