Karting-“Mada 2025” : Hatao ny alahady izao ny «1er Grand Prix»

Hotanterahina ny alahady 25 mey ho avy izao, eny amin’ny circuit SRK Imerin­tsiatosika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Karting izay sady “1er Grand Prix” ihany koa. Fihaonana karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpanamory rehetra manana ny kara-pilalaovana, ankatoavin’ny Fédération sport-automobile malagasy (FSAM).
Misy sokajy efatra ny fifaninanana. Ao ny élite, ho an’ireo 14 taona no ho mihoatra. Ny junior, natao ho an’ny feno 12 taona mialoha ny fotoana hanaovana ny fifaninanana ka hatramin’ny 14 taona. Eo koa ny minime, efa feno 8 taona amin’ny hazakazaka ka hatramin’ny 12 taona ary ny mini, ho an’ireo 6 ka hatramin’ny 9 taona.
Hisantatra ny fifaninanana ny fisian’ny andrana tsotra, tanterahina mandritra ny 10 mn. Hiankina amin’izay ny ho filaharan’ny mpanamory handeha mialoha amin’ny dingana voalohany sy mialoha ny famaranana. Ny isa azon’ireo mpanamory mandritra ireo sedra roa ireo no hamaritra indray ny fiaingana amin’ny famaranana.
Miditra voalohany amin’ny fanatontosana ireo andrana rehetra ireo, ny minime sy ny mini, arahin’ny junior ary mamarana azy ny élite. Hotolorana amboara sy medaly ireo telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny sy ny isan-tsokajy.

Tompondaka

 

Partager sur: