Nanainga ny alatsinainy 19 mey teo ny delegasiona malagasy avy amin’ny MJKA (Madagascar Japan Karaté Association), hiatrika ny “Africa Cup”, any Japon. 4 mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ity fifaninanana ity, ahitana an’i Mathieu, Mael, Nekena ary i Lanto.
Ny ekipan’ny Guerreros Team no nandrombaka ny anaram-boninahitra klioba mendrika indrindra nandritra ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu breziliana, ny faran’ny herinandro teo. Fandresena 10 be izao no norombahin’ity klioba ity. Nahazo ny “fair Play” kosa ny 374 MMA.
Hitohy anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan hiatrika ny Cosafa atsy Afrika Atsimo, ny volana jona ho avy io. Raha ny tazana omaly, teny an-toerana ireo mpilalao mety heverina fa hiatrika izany. Andrasana ny lisitra ofisialy hoentin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô hiatrika izany fifaninanana izany.
Araka ny fikarohana natao, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipan’ny Real Madrid Espagne, ny ekipam-pirenena brezilianina. Tsiahivina fa i Carlo Ancelotti no mpanazatra ny Seleçao Brésil amin’izao fotoana izao. Marihina fa efa akaiky ny andro hanaovan’ireo firenena rehetra ny lalao ara-pirahalahiana, mandritra ny « Fenêtre Fifa », izay tanterahina isaky ny volana jona.