CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta

Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. Nitiliana izay mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy izany ary mbola mitohy mandra-pahatonga ny fotoana handehanana hihazo an’i Seychelles. Eo amin’ny taranja judo kosa, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dojo Saint Michel sy Sainte Famille, ny “Open Mat” ho fanomanana ny CJSOI hatao any Seychelles ity. Judokas manodidina ny 40 teo no tonga nanatrika izany “Open Mat” izany.
Tsiahivina, firenena 7 no ho avy handray anjara amin’ity lalao ity, ahitana an’i Comores, Djibouti, Madagasikara, Maurice, Seychelles, Mayotte ary La Réunion. Ankoatra ny beach soccer, izay taranja vaovao hifaninanana amin’ity andiany faha-13 ity, taranja 10 no ho tazana mandritra izany, ahitana ny basikety, lomano, badminton, atletisma, volley, fibatana fonjamby, ady totohondry, voile, baolina kitra ary judo.

Mi.Raz

Partager sur: