Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Nahazo fandresena indroa miantoana izy ireo. Nandresy an’Antanetibe I, tamin’ny isa 4-3, ary io isa io ihany koa no nandavoazan-dry zareo an’i Soalavitra. Samy isa tokana avy kosa ny an’Antanetibe I sy ny avy eny Soalavitra rehefa nirava sahala, 0 no ho 0. Efa tsara toerana hiakatra amin’ny dingana manaraka izany izao ny Black.
Samy manana isa telo kosa ny AJscum sy ny avy eny Morarano amin’izao, ho an’ny vondrona B. Nandresy ambony latabatra an’i Manja ny AJscum rehefa tsy niakatra kianja izy ireo. Lavon’ny avy eny Morarano 1-0 kosa ny AJscum teo amin’ny andro faharoa. Tsy mbola manana isa izany ny Manja hatreto.
Ho an’ny vondrona C kosa, mitarika amin’ny isa roa ny Amis Foot rehefa nanao ady sahala 0-0 tamin’ny Vétérans ary mbola nanao sahala 1-1 tamin’ny FC Fivoarana Atsinanantanety. Samy isa tokana avy izany hatreto no azon’ny Vétérans sy ny Fivoarana FC, eo amin’ny andro faharoa.
Anisan’ny andrasan’ny maro ary hangotraka ny lalao amin’ny alahady izao. Hifanandrina amin’izany i Manja sy ny avy eny Soalavitra ary hifampitady eo amin’ny lalao faharoa ny FC Fivoarana sy ny Vétérans.
Fitia Randria