Hotanterahina ny 31 mey sy 1 jona izao, eny amin’ny Tour Orange Ankorondrano, ny fifaninanana “Tournoi Elo Fide”, sokajy -1 600 sy -1 800, taranja lalaon-tsaina Echecs. Ny 26 mey izao ny farany amin’ny fandraisana ny anarana ho an’izay maniry hifaninana amin’izany. Amin’ny 8 ora sy sasany maraina kosa no hanomboka ny fifaninanana.
Ny filohan’ny antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, no nosafidian’ny Federasionin’ny karate-do malagasy, ho ray mpiahy ny ekipa nasionaly, ho an’ity taona 2025 ity. Nisy ny fitsidihana nataon’ny biraon’ny FKM azy tamin’ity herinandro ity ary nifandinihana amin’izay tokony hifanohanana ho an’ireo ekipa nasionaly ireo.
Hatao ny 6 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Toyata Stadium Afrika Atsimo, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy i Maroc, amin’ny fifaninanana “Cosafa” 2025. Hotontosaina ny 9 jona kosa ny lalao hifanandrinana amin’ny Malagasy amin-dry zareo Eswatini.
Araka ny fikarohana natao tao anaty tambajotran-tserasera omaly, fantatra izao fa tsy hilalao ao amin’ ny ekipan’ny Real Madrid Espagne intsony i Luka Modric, mpilalao kroaty. Tsiahivina fa efa 40 taona ny lehilahy ankehitriny ary tsy nohavaozin’ny Real Madrid intsony ny fifanarahana taminy.