Antohomadinika IVO: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy.

Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, tetsy Anto­ho­madinika IVO. Anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ny fa­naovana asa fanendahana mampiasa zava-maranitra eny an-toerana sy ny manodidina izy io. Omaly, nanatanteraka fisafoana teny amin’ny manodidina ny polisin’ ny Unités d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nifaneha­tra tamin’ny andian-dehilahy efatra tao an’elakelan-tranon’ Antohomadinika IVO izy ireo. Nasaina nijanona mba hosavaina ireo lehilahy ireo saingy nirifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana. Tafaporitsa­ka tany an’elakelan-trano ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Nikasa hamely ny mpitandro filaminana tamin’ny antsy lava teny aminy kosa ny iray nandritra ny fifanjevoana. Namaly tifitra avy hatrany ny polisy. Vokany, voatifitra ilay jiolahy ka maty.

Lasibatra ny mpiasa mody alina
Anisan’ny faritra anararaotan’ny mpanao ratsy amin’ny fanendahana ny elakelan-trano fivezivezena eny an-toerana, raha ny fitarainana na­taon’ny mponina. Antony ma­hatonga izany ny fahamaroan’ ny lalan-kely, izay misampantsampana, ka mora handosiran’ireo mpanao ratsy. Maro ny olona lasibatry ny asa ratsy ataon’ireo andian-jiolahy. Ani­san’izany, ny mpiasa amina «call center », ny mpamily sy ny mpanampy azy… Amin’ny ankapobeny, olona tsy main­tsy mody amin’ny alina noho ny asa ataony ireo tena lasibatra.
Tsiahivina fa roa ireo mpanendaka lavon’ny polisy teto an-dRenivohitra tao anatin’ny dimy andro. Iray tamin’ireo ilay mpanendaka voatifitra tetsy Anosibe, ny alatsinainy lasa teo. Entanina hatrany ny olom-pirenena hanome vaovao ny mpitandro filaminana ma­ha­kasika ireo olon-dratsy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanendahana eto an-dRe­nivohitra ny hetsika.

Mino

Partager sur: