Miisa 25 ireo mpanamory nisoratra anarana hiady ny 1er Grand Prix, taranja karting. Fifaninanana hotanterahina rahampitso alahady 25 mey, eny amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika. Mikarakara izany ny klioba Serana Racing Kart. Anisan’ireo hiarika ity dingana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity Razafindratsimba Mbolara, mpanamorin’ny klioba FMMSAM, ao amin’ny sokajy Elite EVO. Hifampitady amin’i Yanis Andriamanoro, avy amin’ny Go Junga ny tovolahy. Marihina fa miisa 8 izy ireo no ao amin’ity sokajy ity.
Ankoatra izay, andrasan’ny rehetra ihany koa ny fihaonana eo amin’ny Elite EVO, sokajy vehivavy. Misy efatra mirahavavy izy ireo no hifampitana amin’ity. Eo aloha Ramanantoanina Ravaka, avy amin’ny FMMSAM, i Julia Baumann, mpanamory avy amin’ny SRK. Adin’ny samy mangotraka kosa ny Elite Max, ahitana an’i Yves Mathis, ACCT sy i Evan Tiars, Go Junga. Manaraka izany, misy ny an’ireo sokajy zandriny, ny junior sy ny junior EVO, ny minime sy ny minime sokajy vehivavy. Hanokatra ny fihaonana ny andrana tsotra, mandritra ny 10 mn. Io no ahitana izay handeha mialoha amin’ny dingana voalohany. Misantatra ny hazakazaka ny sokajy zandriny, ary mandeha farany ny Elite. Hahazo amboara sy medaly ireo telo voalohany amin’ny filaharana ankapobeny sy ny isan-tsokajy.
Tompondaka